dimanche 3 juin 2007

very rasoanoro

Ho fanamasahana ny fikarakarana ny fasana dia nifampitahona teny 67ha ny terak'i Rakotobe Joseph. Tamin'ny 2 ora tolakandro no voalaza hivoriana. Tsy mahaleo ny sampy moa ny Malagasy ary mbola tsy afaka mihitsy ny hoe foton-gasy, ka na dia efa mahery aza ny ora voatondro dia efa maro amin'ireto tompon-trano no miandry ary vitsy amin'ireto hasaina no tonga.

Teo ampiandrasana mihitsy ary dia injay nihira ity finday an'i Rasoa. Ny zanany vavy moa no teo akaikiny ka dia nandray sy namaly :

Bijou :
Allôôô, oui!

Ny mpiantso :
Very aho ry tia. Aiza moa nomisy anareo ?

Bijou :
Miarahaba tompokô. Izy kay no tadiavinao azafady

Ny mpiantso :
Tsy i Té nga io ?

Bijou :
Mitady an'i madame Marie Té enao ! Andraso fa omeko azy ary. Aza miala an !

Ny mpiantso :
Lany ny crédit-ako ry 'ty a. I kala petak'orona nga io ?

Bijou :
Zanany aho ka

Ny mpiantso :
I Nesy ity. Very aho fa alaivo.

Bijou :
Hay ve i nenitoa Nesy io e ! Manaôna ? Inona no vaovao ?

Nesy :
Lany hoa ny crédit-ako fa aingana, alaivo aho fa very.

Bijou :
Fa aiza enao zao ?

Nesy :
Eto amin'ny Cyber Internet aho zao.

Bijou :
Aleo omeko an'i Mano enao fa izy no mahay ireny Cyber ireny.

Mano :
Manaôna nenitoa. Aiza ho aiza enao zao o ?

Nesy :
Eto amin'ny Cyber Internet aho zao hoa !

Mano :
Dia misy inona koa eo akaikiny ?

Nesy :
Misy tsena maro be sy arrêt an'i 119.

Mano :
Hay. Eo amin'ny terminus 119 zany enao io zao.

Nesy :
Ié.

Mano :
Aza mihetsiketsika eo aza fa tamy aho.

Dia lasa i Mano nihazakazaka tery amin'ny terminus 119. Tonga teny, nitoditodika nijery nefa tsy nahita. Nitady tao anatin'ny olona maro be sy ny tsena manodidina fa tsy tany ihany koa. Ary nijery tao amin'ity Cyber-café iray teo akaikiny fa tsy teo ihany koa. Nivoaka ny trano moa i Mano tsy nitondra finday ka voatery niverina tany an-trano naka finday mba ahazoana miantso ity very.

Tonga tany an-trano, hoy ny daholo: hita ?

Mano :
Tsy hitako izy fahaka finday aho alo hiantsoako azy.
Allo, nenitoa. Tsy hitako enao fa mba lazao ahy hoe inona avy no hitanao manodidina anao o !

Nesy :
Misy ity Cyber Internet ity hoa itsy akaiky itsy.

Mano:
Dia inona ihany koa ? Hitana ve ny Havana ?

Nesy :
Ny Havana ? Ary alavitra be ary zany ry 'tia. Tsy hitako eto.

Mano :
Odry. Ny trano anie ka aty akaikin'ny Ny Havana é.

Nesy :
Ka ilay mpitondra fiara-karetsakamilaza fa eto ny arrêt 119.

Mano :
Arrêt 119 sa terminus 119.

Nesy :
Tsy haiko zany.

Mano :
Bon. Somary mihetse kely hoe enao dia lazao izay trano lehibe tazanao !

Nesy :
Eto anoloan'ny Poste aho zao.

Mano :
Hay. Lasa lavitra enao fa andraso eo aho.

Dia lasa indray ity Mano nihazakazaka nakany amin'ny 67ha atsimo. Indro toko anie ity Rasoanoro.

Raha taloha ny olona mijery izay avaratra sy ny atsimo mba ahafahany mamantatra ny tany halehany, izaomijery sy maka "repère" ami'nitony trano lehibe sy magazay malaza. Ka raha mba izany ihany no fomba hamantaran'areo izay tany halehanareo, raha mbola eto Antananarivo renivohitra ihany, aza mba mijery itony tsena sy Cyber itony fa maniry toy ny anana ireny aty.