dimanche 7 octobre 2007

tononk'ira

nanonofy aho
fa foana ny adiady sy ny tomany
izay mandrotika ny tany
izao tontolo izao miray hina
tsy hisy intsony fijaliana
hery maro no mitambatra
feo iray no asandratra

manonofy aho
fa foana koa ny mosary
ireo zaza izay mijaly
ravo falifaly
foana ny hanoanana
ireo kambotsy sy tsy nanana
hisy hanome tànana
CHORUS :
raha misy andro iray
tsy mampety izay atao
toloko sy talaho
meteza hanonofy toa ahy
fiainana ho feno hasambarana
hafaliana tsy hifarana
na koa fahoriana
vizana ny fanahy
misalasala miahiahy
meteza hanonofy toa ahy
alina feno hazavana
hatsiaka feno hafanana
te-hanonofy aho
tontolo tsisy herisetra
fahatoniana tsy hanam-petra
tsisy havakavaka
hifandray ny tànana
fo iray ihany no ho eto
hiara hiaina, hiara hitempo
mbola hanonofy aho
ny lainga tsy hisy intsony
ny fo mafana dia ho tony
ny marina no hanjaka
hampahery sy hampitraka
ka ny hitsiny sy ny rariny
izy ireo no tompon-daka
Daddy et Donat RASAMIMANANA

Aucun commentaire: