dimanche 23 septembre 2007

Vita va ny hiraka …..

Nankalaza ny faha-34 taonany fanambadianay ny raiko ampanahy. Nasaina taimn’izany ny tenako sy ny ankilako, i zoky Marie T. tsy hadino. Satria moa efa ho 30 taona izao ity ray ampanahy no nitoetra sy nitady ravinahitra any ampitan-dranomasina any, ireto Zanany tsy mahay ny tenin-drazantsika intsony. Ary satria moa izaho dia manana zana-kanabavy manana rà vahiny ihany koa, malaza eo amin’ny sahatry ny hira, ary indradra mbola mpitovo dia nangatahina manoka izy ny hanatrika ity fankalazàna ny jaobilin’ny mariazymiaraka amin’ny reniny.

Tany ampiangonana :
Tsy tokony ahagaga antsika mpamaky intsony aza fa raha nanotrona ambavaka izao jaobily izao izahay, dia tsy maintsy ary tsy manaiky mihitsy i Dame Rasoa raha tsy eny amin’ny seza-lava aloha indrindra … izay natokana ho an’i fianakaviana akaiky. Nanoloa anay ary arakizany ny zanaky Bera telo mianadahy : Andry lé sola vantony, i Hary l’irokoï ary i Patricia sy ny anabaviny.
Hita mihitsy alo fa tsy dia mandàla ny fifavahana ireto mpanasa satria dia tsy maharaka ny fomba rehetra momba ny fanompompivavahana mihitsy. Ohatra amin’izany, raha tokony handohalika ny mpanotrona dia ry ‘zareo nipetraka satria noheverivy fa hipetraka ny maro.
Tao ampiangonana alo dia efa nampiseho ny talentany ity anabavin’i Bera. Mikoropadropaka tsy hay hoe ahoana fa dia toa izy mihitsy no “chef d’orcheste” momba ny fizotry ny lanonana. Ohatra tamin’izany raha handeha hanolotra vonikazo ho an’i masina Maria ireto mpivady, ka ny vonikazo ho hatolotra mbola tety amin’ny mpanolotra dia tsy nitsahatra niteny sy namporisika ity tovolahy tsy manatsiny sy menatra miseho vahoaka izy ny hanaterana ireto vonikazo eny amin’izy mivady. “haingana fa efa taperin’i môpera ny lamesa, haingana hoa …”

Nankaiza i Aina :
Vita moa ny lamesa, nifanoroko sy naka sary teo ivelany ny olon-drehetra. Raha ny mpianakavy sy ireo izay nasaina faly nifankahita, i Tita sy ity anabavin’i Bera kosa mitaintaina hoe : “nankaiza i Aina ! ho avy sat sia !”
Lany mihitsy moa ny fahana amin’ny finday an’i Dame Rasoa niantso sy nandefa someso amin’ity zanany hoe : “fa aiza ihany ianareo ! efa vita ny lamesa fa handeha ho any amin’ny tranon-danonana izao”. Nefa moa araka ny fahafantarantsika ankehitriny an’i Razoby dia tsy taitra izy ka namely hoe : “mbola manano fandraisam-peo an’ity olo-malaza izahay, fa tamy rehefa vita ny hatao”. Voatery ary i Dame Rasoa mampitony an’ireto mpikarakara fa ho avy ity olona andrasana.
Nitohy foana moa izany fitadiavana izany, na dia efa tonga tany amin’ny toeran-danonana ary ny be sy ny maro, ary na dia efa nolazaina aza ireto mpikarakara mahafatra-po fa ho avy ny nandrasana. Nitohy lava-reny ka nahatezitra an’ingahy mpitantara, satria mampanotany teny mihitsy hoe “fa dia inona loatra no tena hitadiavana an’ity olo-malaza é !, i Bera sy ny fianakaviany aza toa tsy taitra sy tsy mametra-panotaniana fa toa ireto mikarakara, dia I Tita sy ny anabaviny indray no toa mikoropaka mitady ity zaza malaza”.

Tonga i Aina :
- dring, dring, dring …. Allô
- allô, aiza moa ilay toerana fa tsy hitako
- ay, aiza enao zao ?
- eto amin’ny fidirana eto amin’ny PROCHIMAD aho io
- ay, manaraha iny lalana iny, manaraha ny làlana mankaty amin’ny Lac Hotel. Endrasako eo amin’ny varavarana ianareo.

- Tita : I Bijou nga zany
- Manou : éé, ndeha hitsena azy ery ambavahady aho fa toa tsy hitany ilay toerana

Nanaraka ahy moa i Tita, niandry teo ambavahady. Nefa raha somary el any fiandrasany dia nazoto mihitsy ary nitolo-tena izy ny andeha hitsena ireto nandrasana amin’ny soavaly vy. Tsy nilaina moa izany satria, raha iny saika handeha iny izy dia iny ilay nandrasana fa nipoitra.

- Tita : izaho zany no andeha hi-présenté an’i Aina amin-dry ‘zareo … satria izay no nifanarahana
- Manou : ay … fangaha dia tsy maintsy ho-présenté-na mihitsy !!!
- Tita : tsy izany fa tsy fantan’ireto zanak’i Bera i Aina.
- Manou : ay (aleo moa tsy nanohy resaka satria somary nahagaga ihany ny hoe izaho zanak’I Bera ampanahy aza tsy no-présentée-na tamin’ireto zanany akory)

Satria moa efa i Tita zany no hitondra ireto nandrasana dia lasa aho namonjy ny seza sy ny lovia izay navela noho ny andraikitra lehibe tsy maintsy notanterahina. Ka raha iny mihinana iny indrindra aho dia tonga avu any ity anabavin’i Bera nisaotra. Mbola tsy nisy fisaorana torak’izany mihitsy nahazo an’ity Dame Rasoa amin’ny fahatongavan’ny nandrasana. Marihina etoana fa na tany ampiangonana, na ny fahatongavana tao amin’ny tranon-danonana dia mbola tsy nanatona anay ity anabavin’i Bera. Fa iny tonga iny indrina i Aina no toa lasa olona efa nifanerasera tsy misy toy izany izahay.

Vita ny hiraka :
Tsy nitsahatra ny nanetana an’i Aina intsony aza ity anabavin’i Bera ny mba hiarahan’ireto zatovo hiresaka, hifankafantatra bebe kokoa. I Tita koa moa esty andaniny manampy trotraka. Ny hany nahafinaritra ho ahy alo dia toa lasa voakarakara ny latabatra nipetrahanay.
Amin’itony zava-miseho itony moa dia ny zanakitsika somary miavona izay amin’ny voalohany. Tsy maintsy tambatambazana sy dokafana vao mety hanao ‘zavatra. Eny na dia efa tsy haritra intsony aza. Nihira ary ity mpihira, faly ny be sy ny maro ary nahandratra avo ity zaza. Afaka niaraka tamin’iny aza ny manakana rehetra ka toa sahy niantso ireto zatovo avy any ampita hoe : “allez, on va danser …”
Nandihy tokotrany ny zatovo, fa mbola tsy maintsy teo alo ity zokko, i Tita ary ity anabavin’i Bera. Tsy maintsy teo na dia efa somary vizaka ihany aza.
Nandritr’izany rehetra izany dia naka toerana tsara i dame Rasoa sy ny andilako nijery sy nanisy feho ny zava-mitranga ery alavitra.

Tsy haraka intsony ny rythme :
Ity zandriny, l’irokoï aloha no nialan-daharana voalohany. Niala andaharana satria ity fandihy moa somary kara-kakana ka vizaka ihany ny andilany. Ity zokiny mbola tsy niala an-daharana. Tsemboka soamantsara ary ny zatovo ka somary naka rivotra any ankosotany… Ny lehibe moa namonjy seza satria mangitsy any ankoso-tany.

Vita va ny hiraka :
Faly ary ireto mpikarakara fa vita ny hiraka. Afaka nifandombera ny mpianakavy satria niresaka irery ireto zaza avy any ampita sy ny mpihira malaza.

Ny tohiny, aloe samy haminany azy …

1 commentaire:

Anonyme a dit…

Ekany! Ny tena mampimé @ tantara dia na ireto tovolahy (maris potentiels) zabak'i Bera, na i Aina olo-malaza (la toute jeune femme convoitée) plan de mariage arranG objectif an'ireto oul-ndehibe e?
Hum!!!! tsy maintsy hisy fety manokana any atsy ho atsy raha izany, remake eeee!
Eva