lundi 17 décembre 2007

Tanteraka ny fanamby

Efa anisan’ireo mpanakanto goavana i Aina Cook. Voaporofo izany nandritra ilay seho «Aina Cook en folie», notontosaina ny zoma alina teo. Saika tanora mitovy aminy avokoa no nameno ny kianja mitafon’Ankorondrano nandritra ny adiny roa sy sasany teo ho eo.
Efa nampoizina ny seho an-tsehatra, fa nampiaiky ny rehetra kosa ny hakanton’ny ravaka sy ny feo tamin’ny ankapobeny. Tanteraka ny fanamby napetrak’i Aina Cook sy ny mpikarakara.
Niaka-tsehatra teny afovoan’ny seho ny tarika Mada City misy an’i Christopher Cook, anadahin’i Aina ihany. Misy rahateo ny hira noforoniny no iarahan’izy mianadahy anatin’ny rakikira faharoa.
Miandry ny tohiny indray...

Zo ny Aina
(source : article du journal taratra - 17/12/2007)

Aucun commentaire: